Mbola tia (Jen)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitsodrano ve tsy ho hay
Hanozona aho ankaiza?
Fa raha ny tena marina
Izaho no mbola tsy mahafoy
Te hanery mafy anao aho
Anefa tsy manan-kery
Raha azo vidiana vola
Ny foko mba fenoy

Fa ny teo anilanao ihany no lanitra niloko
Aza ilaozanao, aza ilaozanao re ny foko
Na hiangavy mafy anao aho, hilela-paladia
Mbola tsy afa-po, mbola mila anao, mbola tia

Ref : Mitana ireo voady, teny mamy
Tsy hafoizako anao, tambitamby
Toa tsy mino ny foko atramin'izao mbola tia × 2

Mbola zatra nampiatainao
Nokaloinao tsiky
Hitia afa ve tsy ho hay
Fa mbola tsy te hanadino aho
Te hanery mafy anao aho
Anefa tsy manan-kery e
Raha azo vidiana vola
Etsy mba fihino aho

Fa rehefa tsy eo anilanao aho misy ratra misoko
Aza ilaozanao, aza ilaozanao re ny foko
Na hiangavy mafy anao aho, hilela-paladia
Mbola tsy afa-po, mbola mila anao, mbola tia e

Ref ×3

Hitsodrano ve tsy ho hay
Hanozona aho ankaiza?
Fa raha ny tena marina
Izaho no mbola tsy mahafoy
Te hanery mafy anao aho
Anefa tsy manan-kery
Raha azo vidiana vola
Ny foko mba fenoy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jen
Visites : 1038
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : JenJen
Date : 21/10/2023 11:36
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131