Ratra (Jen)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho ninianao ve ny hampitomany ahy?
Ahy ny tsiny, tsy mahay tsy tiana
Tsy tonga saina aho fa ianao efa nahafoy ahy
Misy ratra mantsy tsy haiko ho valiana

Ref : Fa mbola ho tratra ianao dia ianao indray no hitady
Hahatsiaro tany ho any nisy niady ho anao
Sanatria aho haniry anao ny ratsy
Fa tiko ho tsapanao f'izaho naratra

Niezaka ny hiala aho fa ianao aloha mahay
Hahavita ihany izay hihafy ny nihafiako
Milalao fitia ianao izaho indray no may
Ny ahy ho zakaiko fa anao ny ampitso

Ref :

Aleo izaho no hiala
Tsy maninona tsarao
Hoe ny « afa » mbola hiaritra ihany
Ny ambom-poko no nalentiko
Ho anao anie no nifikirako
Fa izaho tsy mahazaka an'izany
Aleo izaho no handefitra
Na ho latsainao
Ireo voady sy izay mba tanjoko ho antsika
Tsy haiko raha mba ho zakanao
Raha ianao no amin'ny toerako
Fa ny ahy ny ala nenina efa vita

De mbola ho tratra ianao dia ianao indray no hitady
Hahatsiaro tany ho any nisy niady ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jen
Vangy : 157
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : JenJen
Daty : 19/07/2024 15:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236