Tantara (Jaky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manako aty anaty, tsy maty
Ireo teny izay mitaona antsika, hikiaka aho
Hilaza hoe: tsy hery na harena be,
No an-davo ny fanahy.

Ny ako ato anaty, tsy mety maty
Ireo kalo avy any am-po sy saina, miaina ao
Mihira hoe: tahiry sady lova ange,
Ny faka izay navela.

Izany rehetra izany
Manoro lalanao hatrany.
....
Ireo teny manan-kery, tsy very
Fa velona ary tsy hangina, na oviana
Ireo kalokalo, mitoetra ireo fa tsy mandalo,
Harena soa ho antsika.

Fa ireo nialoha, namoha! ny lalana
Ary isika?
Isika kosa, misosa
Manohy ny dia!!
Manohy ireo asa miampita io
Misaotra sy manaja.

Saotra ao am-po mahatsihay
Sy fanajana ny hery am-panahy.

....

Izany rehetra izany
Manoro lalana hatrany.

Hatrany hatrany!, ôôôh!
Hatrany hatrany!, yeah!

Ôh! Hatrany hatrany!!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jaky
Visites : 319
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 01/06/2025 04:06
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2384