Miara-mitempo (Jaky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maso mifanojo, tsiky fohy mandalo,
Tsy xxwgcyuh nifamotoana dia niaraka nikalo,
Vetso mifanjoy, saina mifandray,
Fo miara-mitempo ô, toa fo anankiray.
Raha misento anaty fa naratra irery,
Na te-hikombona aza tsy afaka miery:
Sarotra anafenana ny olon-tena tia e,
Miaraka milanja ô ny ratsy sy hmad ny fy.
Hifanaraka hiaraka hatrany
Ny olona mifankahazo,
Hifanaraka hiaraka hatrany,
Na mpianaka ireo na mpivazo,
Hifanaraka hiaraka hatrany,
Mpinamana sa mpirahalahy
Hifanaraka hiaraka hatrany,
Dia manjary miombom-panahy.
Maso mifanojo, tsiky fohy mandalo,
Tsy nifamotoana dia niaraka nikalo,
Vetso mifanjoy, saina mifandray,
Fo miara-mitempo ô, toa fo anankiray.
Raha tafasaraka mifampahatsiahy,
Sendra ady mafy zaraina ny ahiahy.
Rehefa qsgv tafahaona tsy lany ny koràna,
Tojo fifaliana ô, mitambatra hafanàna...


tononkira.serasera.org

--------
Lien:
Commentaires
riana17 ( 11/11/2017 21:24)
Mitady horonantsary n'a audio hiran'i jaky rehetra azafady.mankasitraka
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jaky
Visites : 5018
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : Hasimbola
Date : 22/04/2003 11:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0332