Diso ve aho (Jaja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa vitanao ny namitaka ahy
Efa vitanao ny nanitsaka ahy
Voadona tany indray vao hilaza hoe
Tsy hamerina intsony mifona eh
x2

Ref :
Ho heloko ve raha mba miteny aho
Fitiavako anao aza atao kilalao
Efa niaretako hatrany ireo ditraditranao
Ho diso ve aho mananatra anao
Fitiavako anao toa hararaotinao
Efa niaretako foana ireo gidragidranao


Efa vita ve ny sitraponao
Efa vitanao ny tianao hatao
Voadona tany indray dia hilaza indray
Tsy hamerina intsony fa hoe fay
x2

Ref.

Na dia mafy aza ny fijaliana eh, izao mbola tia anao
Manantena fifaliana eh, fiovana avy aminao
Na dia mafy aza ny fijaliana eh, izao mbola tia anao
Manantena fifaliana eh, raha sitrakao

Ref.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jaja
Visites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Liva_R
Date : 11/02/2026 06:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174