Iza moa aho (Jaja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeko Tompo ô, izay teny avy Aminao
Ekeko Tompo ô, ny ho mpanomponao
Ekeko Tompo ô, ho zanaka manompo
Toy ny an'i zazakely ho tena mpankatoha.


Ekeko Tompo ô, ireo hiraka atao
Ekeko Tompo ô, no miaramilanao
Ekeko Tompo ô, izay lalana ho aleha
Ambarako eto izao f'izaho manaiky anao.

Ref:
Iza moa aho? no mba hirahinao e!
Iza moa aho? no mba nofidinao ho irakao.
Iza moa aho? tsy mendrika anie aho e!
Natsanganao novonjenao hitory ny anaranao.
....
Ekeko Tompo ô, izay hanefenao ahy
Fa lalam-pamonjena handova fiainana
Ekeko Tompo ô, fa tsy tanteraka aho
Mangata-pamelana hifona aminao

Ref: ...

Iza moa aho? no mba hirahinao e! eee! eh!
Iza moa aho? no mba nofidinao ho irakao.
(Tsy mendrika anao na dia hiantso ny anaranao aho e!
Natsanganao novonjenao hitory ny anaranao.)

Ôôô! ôh!, iza moa aho?
Iza moa aho? no mba hirahinao e!, Jesôsy ô!
Iza moa aho? no mba nofidinao ho irakao
Iza moa aho? tsy mendrika anie aho e!
*Natsanganao novonjenao hitory ny anaranao.(x2)

Ôôôôh!!!
Natsangana novonjenao... hitory ny anaranao!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jaja
Vangy : 931
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 06/12/2021 19:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778