Tiako ianao (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba fantatrao va re
Fa misy be dia be
Ny fihetsika maneho ny tsy tenenina
Ka na dia hoe minia
Tsy hamboraka fitia
Tsikaritra eny ihany izay afenina

Tsy voajerinao ny topimaso
Sy ny tsikitsiky ataoko anao
Manantena valiny hoe andraso
Nefa tsisy hatramizao

Izaho anefa toy ny zaza
Ka na efa fantatro aza
Fa ianao dia tsy hilaza hoe
Fa tiako ianao
Antenaiko eny foana
Fa ho avy ny fotoana
Misy teny roa mivoana hoe
Tiako ianao

Ahoana loatra re
Ianao ve mpiasa be
Sa irony mody maotina irony
Indraindray aho tezitra
Ka dia manapa-kevitra
Fa tsy hanopy maso anao intsony

Fa ianao toa mila, toa tsy mila
Mankasiaka ve sa maka fanahy
Mampitamby, mampifilafila
Sa mitady hamolaka ahy

Izaho anefa toy ny zaza
Ka na efa fantatro aza
Fa ianao dia tsy hilaza hoe
Fa tiako ianao
Mbola antenaiko foana
Fa ho avy ny fotoana
Hisy teny roa hivoana hoe
Tiako ianao

?Nefa izao no ataoko anao
Aza ela loatra sao
Olon-kafa no hanao hoe
Tiako ianao
Omeko azy eo ny foko
Avy hatrany ianao soloiko
Ary izy indray no antsoiko hoe
Tiako ianao?
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henri Ratsimbazafy
Visites : 2884
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 14/01/2017 10:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3073