Raozy Maina (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org Firifiry,
voatahiry
hitako isan’andro izao,

zava-maro
mifangaro
samy mampatsiahy anao,

nefa iray amin’ireny
mamiko tokoa
fa toa grnoxvxn manana fiteny
mihatra ao am-po.

RAOZY KELY EFA MAINA
voatahiry ela tao
no bfhmczrz manetsika ny saina
ahatsiaro anao,

RAOZY KELY EFA MAINA
vasoka, makiana koa
nefa manana ho lazaina
ka manoina fo.

RAOZY KELY MAINA SISA
indro eo mamohafoha,
mitantara, mitanisa smjs
ny natao taloha.


Henri RATSIMBAZAFY
1971

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henri Ratsimbazafy
Visites : 6390
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 21/09/2002 23:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0539