Fitiavan'ankizy (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indreo ankizy miara-dia
Kely dia mifankatia
Ka sondriana aok’izany
Toy ny tsy etý an-tany

Maika erý ny hiala voly
Raha avo avy tan-tsekoly
Ka indreny mifanjohy
Toy ny tsy hifankafoy

Moa fahotana ve izany
Sa kosa fomban-tany ihany
Izay tsy nitia taminareo
No aoka hitoraka azy ireo

Izay mahita azy roa
Dia variana avokoa
Ka manara-maso azy
Sady koa mamazivazy

Ao ireo izay mifosa
Ao koa ny manome tsiny
Fa izaho izany kosa
Mahatsiaro ny fahiny

Moa fahotana ve izany
Sa kosa fomban-tany ihany
Izay tsy nitia taminareo
No aoka hitoraka azy ireo

Na izao na taloha
Ny fitia raha nifoha
Dia miriotra tsy azo tànana
Raha vao mahita lalana

Na ry Dada sy ry Neny
Mba angamba toy ireny
No mba nifankahalalany
Saingy efa adino izany
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Henri Ratsimbazafy
Visites : 3659
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 25/02/2015 23:25
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113