TAFITA (GROUPE ITMM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ho tafita no tanjona iraisana
Io no filamatra eo amin'ny fiainana
Ny fianarana fanabeazana
No ahazoana ny fahombiazana
Ka dia ho tafita tokoa izahay e e e
Hoy ny filamatra izay entinay
Eny ho tafita ahita fahombiazana
Tanora fitaratra ho an'ny tanindrazana
Isaorana feno ny Tompo nahary
Fa izy no miahy sy mandavorary
Mitantana hatrany ary tsy mba mandao
Ka tontosa avokoa izay kasaina natao

Tsy mba hadino ireo ray aman-dreny
Nanohana anay ombieny ombieny
Tsy mba kivy na nandositra adidy
Na dia nisedra ny mafy sy mangidy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GROUPE ITMM
Visites : 685
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : evajosaphat
Date : 25/05/2020 13:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738