Vonjeo (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rainay o ! o ! o !
          Miandrandra Anao izao tontolo izao
          Vonjeo fa mitalaho



Tompo o ! maminay raha sitrakao
Ny fonay maditra mba avelao
Ny fitiavanao no nahatoy izao anay
Ka tsy navelanao irery ‘zahay zanakao
Maniry mba handova fiainana mandrakizay
Miandrandra Anao o ry Ray, vonjeo re ‘zahay


Miantso Anao ny olombelona ety an-tany
Ny faharatsiana sy hakiviana sesilany
Iainanay avokoa izany rehetra izany
Tsy misy intsony ny hafaliana fa lasa tomany
Tahio re ry Ray fa mijaly, koa vonjeo izahay


Mila vonjy avy aminao o ry Ray!
Ity tany maminay hatramizay
Mahatsiaro izahay fa efa fay
Tompo malala o mba henoy ny vavakay
Asehoy izay mendrika sy tsara ho anay
Esory lavitra ireo afo mamaivay,
Vonjeo re ‘zahay


          Rainay o ! o ! o !
          Miandrandra Anao izao tontolo izao
          Vonjeo fa mitalaho


Tsy sasatra Ianao manome tombonandro
Notahianao hatrany na maraina na atoandro
Nomena any ny fofon’aina
(nefa mbola misy hatrany ny ratsy izay tsy tambo isaina)
Ifonanay anatrehanao avokoa ireny
Atoroy ny làlana mba tsy ho very
Vonjeo re ‘zahay


Aoreno mafy Tompo ireo ondrinao
Omeo fo vaovao mba hanara-dia Anao
Fa variana loatra amin'izao tontolo izao
Tsy mahalala intsony izay tokony atao
N’aiza n’aiza aleha dia mila Anao hatrany izahay
Ny ho avy sy ireo dimby amam-paranay
Vonjeo izahay !


Toroy anay ny fahamarinana
Na ny manana na koa ireo sahirana
Hifandray tànana avokoa izy ireo
Ka hiantso anao hoe: (Tompo o vonjeo)
Aizim-pito tsisy oatr’izany no iainanay
Fenoy ny hazavanao ny làlanay
Vonjeo re ‘zahay


          Rainay o ! o ! o !
          Miandrandra Anao izao tontolo izao
          Vonjeo fa mitalaho
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Visites : 286
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AlphaTokiniaina
Date : 02/10/2023 19:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0828