Hira (Reko - Fy & His Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Eh! izaho ihany ilay omaly
Tsapako niha maivana aho rehefa nizara taminao
Nefa reko mbola marary
Tiako ho sitranao izao dia izao nefa tsy izay ngamba no ilaiko
Vohaiko ny foko na dia kely aza ny aiko
Hikiry aho hatoky, ho baikoiko ny saiko

Ref: Mba hisy hira hira tsara indray
Hiarahako mihira amin'ireo miady toa ahy
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko
Tsy avelako ho faty fa ho kopahiko
Ataoko hira ho an'ireo miady toa ahy.

2-Eh! inty indray aho androany
Sarotra amiko ny mihetry, izao somary mafy loha
Nefa na izany na tsy izany
Haiko hoe izaho no mila mianatra fa tsy ianao no mila miova
Be ny ambom-poko kanefa be ireo tsy haiko
Aoka re ny adisoako ho lesona ho ampitaiko

Ref: Mba hisy hira hira tsara indray
Hiarahako mihira amin'ireo miady toa ahy
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko
Tsy avelako ho faty fa ho kopahiko
Ataoko hira ho an'ireo miady toa ahy.

Raha hiresaka amiko ny haintaina
Ampianaro aho hiaina
Aoka ny fahanginana hampianatra ahy hahalala ahy
Aoka ny fahelam-potoana hampianatra ahy haharitra foana foana
Aoka izay rehetra very hampianatra ahy fa ny ahy ny hany fananako dia ianao irery

Ireo sento toloko
Nanome hira ho hiraiko
Misaotra manaiky antsoiko
Na oviana ilaiko.

Famaranana:

Fa misy hira, hira tsara izao
Hiarahako mihira amin’izao tontolo izao.
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko,
Tsy avelako hofaty fa hokopahiko.
Ataoko hira ho an’izao tontolo izao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Reko - Fy & His Band
Visites : 12657
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ministries
Date : 31/05/2020 09:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731