Ahy Ianao (FEON'IFIALOFANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AHY IANAO
Mahatoky aho Tompo ô !
Fa eo anilako Ianao
Mibanjina ahy hatrany
Izato masonao
Ny tananao notsapako
F’injao mikasika ahy
Manafosafo ahy
Izay vonton’ny tomany
Tsy ho tsinjaraiko
Sady tsy ho asiako ambiny
Fa ny amiko rehetra
No afoiko ambongadiny
Ka na ory mijaly aza aho
Dia hidongiako Aminao Jeso
Fa ny hany fantatro dia izao :
AHY IANAO
Ny donan’onjam-piainana Mamely ahy,
Tafiotra maro
Mila hanafotra ny samboko Rehefa eo Ianao
Mijoro ka mampahery ahy
Miteny tsotra hoe :
Mangina Mitsahara !!!
A/C : Rina RAJAONARISON F.T.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEON'IFIALOFANA
Vangy : 392
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ampandrana
Daty : 19/09/2022 20:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743