Raiso Anjakao (FEFIA1 (FPVM Ambolo Fanavaozana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-:;:Tsy misy fiainana mahafa-po
Afa tsy Aminao Jesosy
Tsy misy fiainana mahasambatra
Afa tsy ny eo Aminao
Ny fiainako raha tafasaraka Anao
Dia tsy misy manjary avokoa
Ka fikiro Aho tsy hiala Aminao
Very Aho raha lavitra Anao :;:

Réf : Sambatra aho manana Anao Jesosy
Tompo sy mpanjakako
Na mpanota tsy mendrika aza aho
Dia tsy mahafoy ahy Ianao
Ka ny Andro-piainako dia hiderako Anao Tompoko
Ka ny fo sy Fanahy mba sasao RAISO ANJAKAO

2-Fa fantatro fa ny eo anilanao no hiorena ny finoko
Masoandro amam-bolan'ny fiainako Ianao
Mpanazava ny diako ety
Izay rehetra atao zava-poana avokoa
Raha tsy eo ny fitiavanao
Fa mamiko loatra ny tantananao
Tsy misy mahasolo Anao

Réf : :;:Sambatra aho manana Anao Jesosy
Tompo sy mpanjakako
Na mpanota tsy mendrika aza aho
Dia tsy mahafoy ahy Ianao
Ka ny Andro-piainako dia hiderako Anao Tompoko
Ka ny fo sy Fanahy mba sasao RAISO ANJAKAO:;:

Amen...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFIA1 (FPVM Ambolo Fanavaozana)
Hits : 22
Likes : 0 Like
Created by : FEFIA1
Date : 19/12/2025 14:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1985