PARADISA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ihany izay hasambarana
Fa toa tsy mba nahita fiadanam-po
Aiza ihany izato fiadanana fa,
Fahoriana, fijaliana no ety
Aiza ihany koa ity famindram-po
Fa toa tsy mba nahita fiainana
Aiza ihany izato fitsaharana fa,
Adiady sy gidragidra no ety.

JESOSY ANIE EFA NANOMANA,
HITOERANAO RAHATRIZAY
OLOMBOAVONJY NO MO_ONIN’AO,
FIAINANA MANDRAKIZAY
TSY MIS’INTSONY NY SENTO
TOMANY, FA PARADISA NO AO
ETY DIA ETY NY LALA-MAKANY
KOA MIEZAHA DIEN’IZAO
KA MIOVÀ RE, HIANAO E !
MBA HO VOAISA PARADISA


Any ho any moa!,‘lay tanàna soa
Hanjakan’ny fifaliana tsy mety lö
Toerana feno fahamasinana fa
Andriamanitra no mamirapiratra ao!
Any ho any koa Paradisa soa
Hanjakan’ny fitoniana, mahafa-po
Toerana misy fiainam-baovao ka
Re manako ao hira fideràna,
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 1526
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:56
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783