NY MIANKINA AMINAO 242 (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Indro apetrako Aminao
Ny fiainan-janakao
Tsy mba manana safidy Tompo ô
Fa maniry indrindra Anao
Maro ny ady atrehina
Zay tsy maintsy ho sedraina
Mbola nofo ka malemy Tompo ô
Ka tafio ny herinao

2 Taminao dia taminao
No nahitam-pamonjena
Sitrapo tsy noterena Tompo
Ny avotr’aina vitanao
Raha ny ota izay natao
tsisy miafina aminao
Fa ny fahasoavanao ry Tompo ô
No naha toy izao ahy

Fiv. Fa raha izao fiainana izao
No tsy miankina aminao
Dia ho zava-poana ihany Tompo ô
Feno sento sy tomany
Mbola ho levona avokoa
Izao rehetra hita izao
Fa ny zava-tsy ho lo ry Tompo ô
Ny miankina aminao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 4168
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rado6185
Date : 01/01/2015 21:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729