NY ANDON’NY LANITRA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Ny andon’ny lanitr’izay namonto ny tany No manambara ny fitiavana tsy lany
Zay nomen’Andriamanitra sy natosany ho antsika Ho toy ny masoandro be mibaliaka
Ny fitiavany anie ka tena ampy mizara Mba hiadanantsika ao anatin’ny soa sy ny tsara
Saino ange ny lalàna indrindra ny didy Fa tsy mba manery fa tena mapisafidy

Fiv.
Ndeha ary isika hifankatia hifampitantana hiara-dia
Hifampivavaka koa satria Feno devoly ity tany ity e
Ndrao solafaka potraka Hirona amin’ny tany fa trotraka
Satria olombelona nofo sy ra Avokoa isika rehetra zay velona ety

2
Ny ota natao tsy azo visavisaina Satria na iray aza isika tsy azo antenaina
Fa samy efa ratsy sy samy efa nania Miantso antsika ary izao ny Tompo modia
Ny lanitra anie vonona ao ambony ao Nomanin’i Jesosy Tompo indrindra ho anao
Koloy ary koa tehirizo izany finoana Araho fibebahana dia mahaiza mifona

3
Tambatambazany isika hody ao an-trano Ho hafatrafarany sy ho tsofiny rano
Fiadanana anie ho izy ho aminareo Raiso sy tano hamamio ary koa ekeo
Sambatra loatra izay manaiky ny teny Fa tra-pamonjena avokoa anie izy ireny
Ho apostolin’ny asa sy ny finoana Hamangy isan-trano , hivavaka sy handodona

4
Ho faly Izy Tompo raha misy mampiantrano Fa mangetaheta Fanahy Izy fa tsy mba rano
Hitoetra ho mandrakizay anie no iriny Aoka ary isika hanaiky fa tiany dia tiany
Ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany No manambara ny fitiavana tsy lany
Nomen’Andriamanitra sy natosany ho antsika Ka toy ny masoandro maraina be mibaliaka
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 1322
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 18:00
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754