IZY IZAY MIHITSY (D-Lain)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa rindrim-be ity manoloana ahy.
Tapi-dalan-kaleha very fanahy.
Teo vao tadidy indray ny fisianao.
Kanefa ianao, hay teo foana
Nanopy maso ahy.

REFRAIN :
Tsy mahatsiaro anao izahay
Raha tsy efa hoatr’izay a ! hay !
Nefa ianao tsy misy andro
Tsy hitsimbinanao anay.
Ambarako eto, Tsy sendrasendra,
Na tsara vintana aho
Fa misy Ray, mpiaro sy miahy.
Tsy avelany ho resy, Tsy avelany ho kivy i ! i !
Ho ory angahiahy
Izy izay mihitsy e ! e !
Izy izay mihitsy e ! e !

Izy, ilay niantoka aina anao
Nafoiny ny toerany
Fa tiany loatra ianao.
Ka na inona na inona manjo aza manahy
Fa izy hiady ho anao.
Tsy misy hafa, fa izy irery
No ampy hianteherana.

REFR …

(Oh oh oh)
Izy izay mihitsy e ! e ! heya !
(Oh oh oh)
Ray be fiantrana a ! a! a!
(Oh oh oh)
Izy izay mihitsy e ! e ! hey !
(Oh oh oh)
Oh oh oh

Ambarako eto, Tsy sendrasendra,
Na tsara vintana aho
Fa misy Ray, mpiaro sy miahy.
Tsy avelany ho resy, Tsy avelany ho kivy i ! i !
Ho ory angahiahy
Izy izay mihitsy e ! e ! e !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : D-Lain
Visites : 3303
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : nanando48
Date : 06/02/2020 07:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0987