Lanitra fahafito (D-Lain)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hafa ihany ilay maraina
Ilay mifoha eo anilanao
Azoazo koa ny aina,
Velombelona sy mirana

Na ny tara-masoandro aza
Tsy mahatoraka ny tsikinao
Mihazakazaka ny ora
Saro-piaro ny amintsika roa

Tsy ilay hoe fo tia ihany,
Na ilay maso jamban'ny fitia ihany
Fa fanahy tafahaona
Tamin'ny ora sy fotoana
Tsy ilay hoe tia ihany,
Na ilay maso jamban'ny fitia ihany
Fa fanahy tafahaona
Amin'ny ora sy fotoana
Tsy asiana hoe : « nahoana ? »

Fa lanitra fahafito
Tontolo hafa mihitsy
Ilay fitia
Fa lanitra fahafito
Maripana hafa mihitsy
Ny amintsika

Hafa ihany ireo fotoana
Izay laniana eo anilanao.
Ilay endrikao manoloana
Mampanadino ireo olana
Mifamahofaho ao an-doha.
Ilay teny mahazatra
Averimberin'ny olon-tiana, olon-tiana.
Na dia efa be mpilaza
Averiko eto hoe : « tiako ianao », « tiako ianao »

Tsy ilay hoe fo tia ihany,
Na ilay maso jamban'ny fitia ihany
Fa fanahy tafahaona
Tamin'ny ora sy fotoana
Tsy ilay hoe tia ihany,
Na ilay maso jamban'ny fitia ihany
Fa fanahy tafahaona
Amin'ny ora sy fotoana
Tsy asiana hoe : « nahoana ? »

Fa lanitra fahafito
Tontolo hafa mihitsy
Ilay fitia
Fa lanitra fahafito
Maripana hafa mihitsy
Ny amintsika


tonony sy feony : Ratolojanahary Lalaina (d-lain).
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : D-Lain
Vangy : 5794
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/05/2019 10:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114