Tsy mba namanamana (D-Lain)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza no iresahako raha tsy ianao, ianao
Ilazako ireo tsiambarateloko
Hanasako vangy rehefa tezitra
Hanalako koa ny hamohamo

Ianao mahatanty ny gidragidrako
Mampitsikitsiky rehefa maloka
Mahay tsianjery ireo fikafikako
Soroka mafonja azo antoka.

F'ianao no hany antsoiko hoe
"Tena namana"
Na andro na alina toa midodododo
Mamonjy, manao ny ainao tsy ho zavatra
Tadidio f'izaho eo foana ho anao

Matokia f'izaho tsy mba namanamana
Fa azonao antsoina na aiza na aiza misy anao
Ho vavolombelon'ny fifalianao
Hampitraka anao koa raha sendra lavo

F'ianao no hany antsoiko hoe
"Tena namana"
Na andro na alina toa midodododo
Mamonjy, manao ny ainao tsy ho zavatra
Tadidio f'izaho eo foana ho anao

N'aiza n'aiza misy anao
Ho avy eo aho vao antsoinao
Fifaliana, fahoriana
Mafy ny fihavanantsika
N'aiza n'aiza misy anao
Ho avy eo aho vao antsoinao
Tadidio

N'aiza n'aiza misy anao
Ho avy eo aho vao antsoinao
Fifaliana, fahoriana
Mafy ny fihavanantsika
N'aiza n'aiza misy anao
Ho avy eo aho vao antsoinao
Tadidio

Tadidio f'izaho eo foana
Tadidio f'izaho eo foana
Tadidio f'izaho eo foana ho anao
Ho anao, ho anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : D-Lain
Vangy : 4096
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 19/12/2019 23:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736