Ato am-ponay foana (D-Lain)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indreto izahay tonga mivory manodidina anao
Ny fonay torotoro e!, noho ny amin’ny fahalasanao
Vao omaly ianao no teto, vao niaraka nisakafo
Androany ianao niampita e!, ho an’ny amin’ny toerana avo

*Injay fa miakatra ireo tsiaro ô!, 
Mibosesika ato an-doha
Ny tava kotsan-dranomaso ô! 
Izay ilay fiainana fa ho aiza moa. (x2)

Ka mandra-pihaona e!, fa tsy hoe mandrakizay!
Mbola hihaona anie isika e! raha izay no lahatry ny Ray
'Zahay kosa handroso ô!!, fa tsy manadino anao
Manantena sy matoky e!, hahita indray ilay tsikitsikinao.
....
Tsy ho mora ny hameno ireo banga nisy anao
Ireo soa vitanao, nanampy fatratra misaotra anao
Ka na aiza na aiza, hoy aho ianao tsy hadino e!
Mankahery ahy ny mahatsiaro anao ôh! ô!
Matoa aho miaritra sy sahy mijoro e!
Dia noho ianao izany, noho ianao.

Injay fa miakatra ireo tsiaro ô!, 
Mibosesika ato an-doha
Ny tava kotsan-dranomaso ô! 
Izay ilay fiainana fa ho aiza moa.

*Ka mandra-pihaona e!, fa tsy hoe mandrakizay!
Mbola hihaona anie isika e! raha izay no lahatry ny Ray
'Zahay kosa handroso ô!!, fa tsy manadino anao
Manantena sy matoky e!, hahita indray ilay tsikitsikinao. (x2)
....
Manantena sy matoky e!, hahita indray ilay tsikitsikinao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : D-Lain
Vangy : 34492
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/06/2019 10:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1891