JMJ diosezy Fianarantsoa (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza misalasala, aza mihafahafa e atsika mivavaka
Fa Jesoa Tompo, vana tsa nanilika sy nanavaka
Fa io fitiavana io e ro harena miafina sy fiadanana
Tena tsa mba hisy haninenanao e ny lalany

Fiv:
Efa fatatsao, fa Jesoa e ro lalagna
Sy fahamarinana
Ary izay miankina amin'ny Tompo e
Dia handeha tsa hahalala sasatsa

Aza mba mitaraigna, fa Masina Maria e efa mivavaka
Ilay tena mpanompo, natokisan'Andriamagnitsa, tsa
nivadika
Fa io fankatoavana io e ro atao ohatsa fa mahasambatsa
Tena tsa mba hisy hanignenanao e ny lalany

Aza mba kivikivy, na miaritsa. mangidy e atsika mivavaka
Atsika Tanora, ro fanatignana hamelogna ny fiangonana
ka ny firaisan-kina io e ro atao fiadiana ho fandresena
Aoka tsa mba hisy hanao anao ho tsinotsinona
Fiv+ (Ano ee) Ano e ary atsika hagnaraka azy
(Handeha) Handeha tsa hahalala sasatsa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0178