Resy (Chantal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifona aho, tsy hamerin’intsony ireny hadalako ireny
Hafa ny taloha fa olom-baovao
Manaiky aho fa diso nefa ankehitriny
Zaho mbola tia
Mifona aho, tiako ho tazonina mba ho ahy irery
Iriko raha miara-dia izaho sy ianao
Fafao izay tsy mety , mba mamelà ahy
Mba raiso aho akia

Efa diso (diso) diso ka aza latsaina fa izaho mbola tia
Tiako ny anilanao ka mamelà ahy, mamelà ahy
Mamela ahy! Eeeh , ie
Efa diso (diso) diso ka aza latsaina fa izaho mbola tia
Tiako ny anilanao ka mamelà ahy, mamelà ahy
Mamela ahy! Eeeh , ie

Mifona aminao, eny azafady ,izaho mba miangavy sy mitalaho
Raha azo atao, mba henoy aho , fa zaho mijaly , tsy haiko ny atao
Fitiavana tsy ifanerena fa raha mbola misy any dia avia
Zaho tsy nahatohitra ny rendrarendra saingy kosa mbola tena tia
Honerako avo zato heny ireo ratsy rehetra vitako tamin-dry
Aza lavin’aho fa mbola tia, aleo aloha zaho mba hankafy
Tsy manam-pidiny aho fa resy , nanao ny diso sy tsy nety
Mangataka ny indrafonao, mba esory re ny fefy
Manasaraka ny fontsika, mahatonga ady mampifanditra
Tsy hitondra aiza fa eto ihany, k’aleo mifarana amin’izay

Efa diso (diso) diso ka aza latsaina fa izaho mbola tia
Tiako ny anilanao ka mamelà ahy, mamelà ahy
Mamela ahy! Eeeh , ie
Efa diso (diso) diso ka aza latsaina fa izaho mbola tia
Tiako ny anilanao ka mamelà ahy, mamelà ahy
Mamela ahy! Eeeh , ie

Fa tsy ho vitako ny hiaina ts’isy anao,
Tsisy anao eo anilako eo
Eny androany aho mifona ho hitanao
Ho hitanao mitalaho ,f’efa resy

Efa diso (diso) diso ka aza latsaina fa izaho mbola tia
Tiako ny anilanao ka mamelà ahy, mamelà ahy
Mamela ahy! Eeeh , ie
Efa resy (resy) resy ka aza latsaina fa izaho mbola tia
Tiako ny anilanao ka mamelà ahy, mamelà ahy
Mamela ahy! ieeh ,ee

Mamelà ahy ieeh….ee
Eeeeh eee!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chantal
Visites : 4446
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 11/07/2018 08:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722