Fitia dia ampy (Chantal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na omenao azy ny kintana
Takarinao ny volana
Tsy izay no tena mahasambatra azy
Fa ny fahatsapa-tena no ilainy
Tia azy ianao efa hainy
Mahafoy fotoana sy tambitamby

Teny maminao ireny no mba tiany
Ianao no hizarany ny ao am-pony
Fa tsisy ny ankoatr'izay
Ka tiany ianao eo foana, tiany ianao eo foana
Ho mandrakizay

Na diamondra, safira, volamena mangirana
Tsisy atakalony anao izany
K'aza misahirana mitady izay tsy ho vitanao
Fa ny fitiavanao ihany no ilainy
Ka fitia dia ampy e

Tolory azy ny fitiavanao rehetrarehetra
Aza avela ho ravan'ny taona hifanesy
Ho mafy orina sy afaka hitoetra ela
Tsy ho voahozongozon'ireo izay tsy tia

Na mifanalavitra aza ny toeranareo
Dia tsy mahasakana ny fo tsy ifandray
Ny onjam-pitiavana izay efa misy
No mampikambana ho iray

Na diamondra, safira, volamena mangirana
Tsisy atakalony anao izany
K'aza misahirana mitady izay tsy ho vitanao
Fa ny fitiavanao ihany no ilainy
Ka fitia dia ampy e

Fa fitia dia ampy
Omeny anao tsisy tambiny
Fa fitia dia ampy
Fitiavana marina e...
Omeny anao tsy atakalo
Love tsy mifangaro
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chantal
Visites : 2921
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 14/04/2019 17:46
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117