Tsy Hitony (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry Raiko oh , O ry Raiko oh , mbola hahatsindry fo ihany ve ianao ?Ka hinia tsy angoraka ny fahoriako ,
O ry Raiko oh , O ry Raiko oh , mbola hangiana ihany ve ianao ka tsy hanamaivana ny fijaliako
Eny tsapako fa tsisy miafina aminao , ny fangitakitakin’ny fanahiko misedra adim-piainana
Ary fantatro fa be fitiavana ianao , ka nahoana aho no havelanao hanihasiha lavitra ny lalanao, lavitra ny lalanao
Tsy hitony eh , Tsy hitony ny antsoantsoko
Tsy hangiana , Tsy hangiana ny fitarainako raha tsy efa tsapako fa mihaino ahy ianao ka ny famindram-ponao no handrasako hamomba ahy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'ny Fo Masin'i JesoaVisites : 480
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Date : 20/12/2021 07:24