Manana Anao (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Eo ambany elatrao no mahatsara ahy
Izay miankina Aminao tsy mba manahy
Lafatra e, Sambatra e, Kanto tokoa
Jesoa o, manana Anao dia afa-po

Fiv:
Fifaliana, fitahiana, fiadanam-po
Fahasambarana tsy ho lany feno tokoa
Fandresena tsy vidiana fa valisoa
Jesosy o, manana Anao dia afa-po

2- Ny voadiko Aminao ry Tompo o
Ny tsy hiala eo am-pelatananao
Fikiro aho, fihino aho tsy ho votsotra
Jesoa o, manana Anao tsy mba manahy

Fiv.

3- Raha sendra ka solafaka indraindray
Manoloana ireo ady toa mahamay
Toky sy fanantenako hatrany Ianao
Jesosy o, Sambatra aho manana Anao

Fiv.

T/F: Sandaniaina Rinasoa Liliane
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mamyboo
Date : 21/10/2024 15:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771