Ampidiro aloha ny tenimiafina
Derao (ANTOKOM-PIHIRA Solofon'i Davida Fianarantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Derao, derao ilay avo indrindraFa masina ny anarany (derao)
Ilay mpanjakan’ny lanitra
F’izy ilay efa nanao ny fanavotana
Efa hatry ny ela isika no efa nikasa(efa nikasa)
Hahazo famonjena ka dia ho afaka
Tonga Jesosy nidina mba hamafa(mba hamafa)
Ny fakofakon’ota izay mahasolafaka
Ref: Eny haleloia, hosanna haleloia
Anao mpanjakanay mpanjakan’ny lanitra
Eny haleloia, hosanna haleloia
Andriamanitray ilay be voninahitra
Ilay teny fikasana efa nataon’I Jehovah
Dia efa tanteraka amintsika mpanompony
Mahavelom-piderana ny fanekeny tsy miova
Fa fiadanana no efa natolony
2-Derao, derao ilay avo indrindra
Fa masina ny anarany (derao)
Ilay mpanjakan’ny lanitra
F’izy ilay efa nanao ny fanavotana
Efa hatry ny ela izy no efa nifidy (efa nifidy)
Natokany ho antsika ny fitiavany
Fanetretena lehibe sarobidy (sarobidy)
No nananganany antsika ho zanany
Ref:Eny haleloia, hosana haleloia
Anao mpanjakanay mpanjakan’ny lanitra
Eny haleloia, hosanna haleloia
Andriamanitray ilay be voninahitra
Koa manatona anio ario ny fisalasalana
Raiso ny Tompo ka meteza honenany
Koa mibebaha ianareo reseo ny fahotana
Jesosy tonga mba hanova ny fiainanao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : ANTOKOM-PIHIRA Solofon'i Davida FianarantsoaVisites : 22
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rolso
Date : 20/03/2026 18:59
