Tonga indray (Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Tonga indray izao 'lay andro maminayAhatsiarovana ny nahaterahanao
Nidina an-tany Hianao ho famonjena anay
Fitiavana tsisy mihoatra izany
Réfrain :
O! Mifalia sy mihobia
Fa Jesoa Tompo ilay Mesia no tonga ety
Fa tonga hanavotra hanome fiainana
Ho an'izay vonona handray Azy.
2 - Vonona ve ianao, ny handray Azy
Ny fonao hivoha no hany andrasany
Hitoetra anatinao, izay no sitrany
Hanjakan'ilay Mpanjaka ny heriny
Réfrain :
O! Mifalia sy mihobia
Fa Jesoa Tompo ilay Mesia no tonga ety
Fa tonga hanavotra hanome fiainana
Ho an'izay vonona handray Azy.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana)Visites : 18
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : jouradikt
Date : 10/12/2025 15:58
