Fivalozana (AMIT(Asa Mamokatra Ifanasoavan'ny Tanora))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! fantatrao ny faniriko,
Ny ato an-tsaiko tsy miafina aminao,
Ny hadalana efa vita, vokatry ny sitra-po,
Tompo oh! Ianao no tokiko!!

Ref.: Tsy miafina aminao ny hadalako,
ny ho aviko rehetra fantatrao,
Mila mpanavao, hampahery fo!
Tompo oh! avelao ny otako.

Efa nikasa ny mba hanao ny tsara .
F’efa leo ny fiainana taloha,
Ny heri-tsaina ato anaty, mila ho kivy f’efa voa
Mba omeo hery vao aho, mba hifoha.

Ref.: Tsy miafina aminao..............

JESOA tia ô! misaotra anao aho.
Tsy manahy satria sakaizanao,
Fa na iza hankahala,Noho ny anaranao
Mahatoky aho f’Ianao anilako.

AMIT
Tonony sy Feony : Gabin (Nanampy :sandy ,harisoa )
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMIT(Asa Mamokatra Ifanasoavan'ny Tanora)
Visites : 2287
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Malaky
Date : 26/12/2003 08:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716