Toa Krismasy (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika moa rehefa afaka iny
Antso an-tsary no mba ifaliana
Na andro fety na andro mafy
Mionona amin'ny finday no mitafa

Fa ato ho ato aho ho avy aloha
''Matory impiry sisa'' no ataoko an-doha (iray...roa...)

Tsy ho nofy fa...hihaona ihany isika
Hifanila indray...mmhh
Hitondra tsikitsiky mmh mmh
Manina mafy, te hifankahita
Toa krismasy...mmhh
Hizara hafaliana, ho hankamamiana

Ao an-tsaiko ao rehefa hifanena
Indreo isika mivantana miteny
Fihina feno hafanana
Fihetsem-po, hafaliana, ary korana

Fa ato ho ato aho ho avy aloha
Matory impiry sisa no ataoko an-doha (iray...roa...)

Toa krismasy fandresena izay andro izay
Isika mino miara manantena fa  hampiray ô ô
Efa tsy andriko, ny maraina hifoha

✍️ beranto
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AmbondronA
Visites : 569
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Safidimalala
Date : 19/12/2025 09:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2409