Mety ho aiza (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoa mangina aho, tsy fanahy iniana.
Menatra aho ny hamaly na hanontany
Raha ny ao am-po, lafatra, faly koa,
Nomenao ny soa ho anjarako.
Marina fa hoe mankarary,
Ny antsika anie, ho hita eo ihany.

Mety ho aiza
no hiafaran'ilay hazavana miampy hafanana,
avy any aminao?
Nofidiko ary tiako
Ka ny ampitso hitsara ny androany.

Mirana ny aina, tsy hay tantaraina
Izany no ilaina f'ho avy ilay maraina.
Marina fa hoe mankarary,
Ny antsika anie, ho hita eo ihany.

Mety ho aiza
no hiafaran'ilay hazavana miampy hafanana,
avy any aminao?
Nofidiko ary tiako
Ka ny ampitso hitsara ny androany.

Tsy hay tantaraina ireny,
Nangina aho tsy niteny.
Nanantena, efa ela, fa mbola ho avy ny maraina.
Tony ny saina, tsy hitaraina no andrandraina.
--------
Lien:
Commentaires
niarinala ( 02/02/2016 01:34)
tsar l hir,anisan hir ten ankafiziku io (Y)
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AmbondronA
Visites : 18799
Préférés : 3 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 13/02/2015 07:47
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739