Nefa ny anay (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Takona indraindray 'lay masoandronay
misy haloka miserana, mitady hibahan-toerana
Malaza hafanana no zarainy tsinjarainy
Nefa ny anay, ny hatsiaka mamirifiry
no toa voatahiry, ampanjakainy

Asa rahoviana, rahoviana no hioty hazavana
Asa rahoviana, rahoviana vao hiova hafanana,
Mba tsy fahoriana, fihafiana no hatobany ao,
Mba tsy ho voarefy, voafefy sy
Fiainam-baovao.


Feno be ny fo, tohina tokoa
mila toa hipoaka sady te-hitraotra ndeha mba ho aiza moa?
Ny saina tsy tony,mamadibadika hatrany,
Nefa ny teo, no eo, tsy misy izany mba hoe fiovany
Tomany ihany

Asa rahoviana,rahoviana no hioty hazavana,
Asa rahoviana, rahoviana vao hiova hafanana,
Mba tsy fahoriana, fihafiana no hatobany ao,
Mba tsy ho vorefy, voafefy sy
Fiainam-baovao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Aina Cook
Visites : 7389
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Hamintsoa
Date : 24/05/2010 17:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757