Deraiko Izy (Aina Asr)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Verse 1 :
Tsy misy tsara
Afa-tsy 'lay Ray be fitia.
Fitiavana Izy
ny heriny tsy hay ho lazaina.

|: Pre-Ref :
Fa na bika na harena
na hoe fahendrena
tsy azoko hatao
reharehako.
F'ilay Ray ambony ao
dia 'lay tsara indrindra
no asandratro avo.

|: Refrain :
Ka Deraiko Izy
Tsara ny asanao Ray malala ô
Ka Deraiko Izy
Fitiavana manolotra aina
Ka Deraiko Izy
Ianao mamelon'izao rehetr'izao
Ka Deraiko Izy
Izay rehetra voaary manaiky Anao

Verse 2 :
Tsy misy hendry
Afa-tsy 'lay Ray mahagaga
Mahagaga Izy
Fa azy izao rehetr'izao

Pré- Refrain :|
Refrain :|

Pont :
Indrisy, indraindray tsy tsapanay zany,
noho ilay fitsapam-pitokiana.
Tsy mendrika aho, fa meloka aho, ka mamelà ahy Ray ô.
Mba ho velona aho, ka hideranao !

Refrain :|
--------
Lien:
Commentaires
ainaasr0 ( 15/07/2016 13:52)
Tohano i Aina Asr ,
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Aina Asr
Visites : 2694
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ainaasr0
Date : 25/06/2016 13:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2552