You are here: home > Tononkira > Aina Asr

Vavaka (ft Aurelio) (Aina Asr)

https://tononkira.serasera.org/hira/aina-asr/vavaka-ft-aurelio

Miha mangatsiaka izao
ny fitiavanay
satria mpandika ilay
didinao.
Eny, fa mbola velona aho
noho ny hasoavanao
ka saotra atolotro
ho mandrakizay.

Tompo Ô! amboary ny saiko
mba ho tena tia anao.
Tafio ny herinao aho
ka tsy mba osa raha sendra sarotra.

[ref]
Ianao irery Mpamojy ô!
no avotray ninona miseho,
tsy Tsiky dia ampymisy hafa afa tsy Ianao
ka mila Anao mba hanavotra ahy.

Aza matahotra
ry ondry vitsy ô!
fa hombantsika Izy
hatramin'ny farany.
Eny, sasao ny akanjonao
ka tanterao ny baiko
fa valisoa no miandry
any an-danitra any.

Tompo ô! amboary ny foko
mba ho tena tia Anao.
Tafio ny herinao aho
ka tsy mba osa raha sendra ny manjo.

[ref] [ref]'[ref]'

Hevitra mandeha

ainaasr0 (04/06/2016 01:44:05)

Isaorana ny mpandrindra namaly ny hetaheta antsika. (y)

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Aina Asr
Mpamaky : 1006
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ainaasr0
Tamin'ny : 02/06/2016 08:55:28
ID : 8576

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo