Ny Fiadanako no Homeko anareo (AFA ( Akon'ny Famonjena Vohijanahary Antsirabe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
Toa mamiko tokoa ry jesosy oh
Toa mamiko tokoa ny teninao
Izay manambitamby ka manao hoe
Ny fiadanako no homeko anareo
Tsaroako fa fitiavana izany maneho indrafo ety an-tany
Ho an’ireo mpanompo mahatoky hoe
Ny fiadanako no homeko anareo

1/Maro ireo hafatra izay napetraky ny tomponao
Teny mamy feno toky ho an’ireo izay reraka am-panahy
Solo H:
Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo fa hosakaizako
Tsy hamela anareo ho kamboty aho
Fa ny fiadanako no homeko anareo

Ref :.....

2/Fa na dia an-tompan’onja ny sambokely anivon-driaka
Ka mazàna manangoly ireo tafiotra mba handrendrika ahy
Matoky anao ry Jesosy oh, ka tsy hatahotra ny loza izay hanjo
Noho ny  teninao izay nambaranao
Fa ny fiadanako no homeko anareo

Ref:.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA ( Akon'ny Famonjena Vohijanahary Antsirabe)
Vangy : 167
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MENJA2025
Daty : 26/08/2025 13:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177