Fiderana (AFA ( Akon'ny Famonjena Vohijanahary Antsirabe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Misaotra anao izahay ry Ray, manolotra ny haja ho anao
Tsy takatry ny sainay ny fitiavanao mitari-dalana anay ety
'Reo fahasoavana izay marobe , afafinao aminay n’aiza aleha
Mahagaga loatra e izato voninahitrao, manaiky anao izao tontolo izao

Ny fideranay anao maneho ny hatsaranao
Amin’ny fo tena sahy, mampientana ny fanahy
Ampianaro ihany koa, ny lalana mahasoa
Ahafahanay mitanisa, 'reo andro iainanay sisa
Fa any an-danitra, no fonenana, maharitra mandrakizay doria doria

2/Misaotra anao zahay Jesoa satria, ny ra nalatsakao tao kalvary
No nanavao indray izato fiainanay, tsy ho voageja ny satana ety
Mbola malemy anefa izahay, raha miatrika ireo ady mahamay
Ny herinao anefa no iankinanay, tsy hatahotra ary koa tsy hangahiahay

A/c: NJH
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA ( Akon'ny Famonjena Vohijanahary Antsirabe)
Vangy : 143
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MENJA2025
Daty : 26/08/2025 14:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0717