Ny teninao, Andriamanitra ô (Vetson-kira)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Ny teninao Andriamanitra ô,Dia feno fitiavan-dehibe
Ny teninao mandresy lahatra
Manakantsakana izay mania
Fiv :
Ampianaro aho, Tompo ô
Hanambara ny fitiavanao
Hanompo anao Andriamanitra ô
Sambatra aho raha eo anilanao.
2 - Ny Teninao Andriamanitra ô,
Dia fahavalom-pahafatesana
Hatrany am-pasana aza no mandre
Ny maty dia ho velona indray.
3 - Ny Teninao Andriamanitra ô,
Dia hazavana manjopiaka
Fiadanana mahafa-po
Ho an'ny olona izay mankatò
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Vetson-kiraHits : 13
Likes : 0 Like
Created by : ilay7nantenainy
Date : 23/12/2025 17:15
