Dia nindramiko (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DIA NINDRAMIKO

Misy kalo maniditsidina any, mitarika sento sy tomany
Misy sioka malefaka any ho any
vetsovetso tsisy namaly


2X Dia nindramiko ny hira rehefa tolaka iny
Hiaraka aminy any aho

Misy loko natsidiky ny havana
Namaky habakabaka fa tsy avy
Misy loko natsidiky ny havana
Saingy mba haka anie aho nodifiny

2X Dia nindramiko ny rahona efa dotra ny masoandro
Hiaraka aminy any aho

Misy tsiny manindrona dia lasa
Tokony hotadidy tsy tsaroana
Misy tsiny voateny tsy kinasa
Tokony ho adino fa tavela

2X  Dia nindramiko ny rivotra handingana ny fefy
Hiaraka aminy aho
--------
Link:
Comments
gosse15 ( 21/11/2015 20:22)
Manao ahoana daholo
Ity hira ity ohatry ny an'i Tseloina fa tsy Mahaleo an.

Gosse
azteca ( 05/11/2019 09:27)
iza no tena tompo'ny hira?
mahaleo sa ingahibe tselonina?
mireille sy rainitsé na vy sy rainitsé no mpihira azy ity eny an-sehatra...
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tselonina
Hits : 8764
Likes : 0 Like
Created by : rota
Date : 21/12/2006 10:58
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112