- Ny endrikao - (Thiera BRUNO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tamin’io toerana io
no nahitako ny endrikao
Nalofan’ireo voninkazo
toa anao

gagagaga aho toa saikatra
raha nifanojo teo isika
maso baribary, tsiky malefaka
ny endrikao !

Iza loatra moa ianao
O ry mpandalo !
Nandroso ny ora,
nilentika ny masoandro
Dia nidify teo ianao,
... ny endrikao !

Nantenaiko fa mbola ho eo ianao
tamin‘ny andro manaraka
nefa indrisy
aloka sisa no tazako

Iza loatra moa ianao
O ry mpandalo
Niandry aho ; niandry anao
teny hoeny

nefa tampoka teo
raha nihodina aho
ianao no tazako

Safononoka ny hafaliako
fa nahita indray ny endrikao
O Faly aho, sambatra aho
fa tia ahy ianao
O Fa tia ahy ianao
O Fa tia ahy ianao

A/C : Andriamaro Thiera Bruno
  P   : 1972
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Thiera BRUNO
Hits : 244
Likes : 1 Like
Created by : Tanjaka
Date : 26/06/2025 01:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0218