Fanaon'ny ankizy (Tarika Sammy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fanaon'ny ankizy fahizay ny mampiady tandrimo

Kilalao tsy hahitana fanafana
Vahana kely na koa hala-botry
Kilalao miara-mihosina
Tsisy tsitsiana fa tena mitotokirosy

Ki-soamidi e, mandrosoa sao tara ianareo
horakoraka tsisy hahfantarana tsony izay lahy sy vavy
Totorebika toa dia mianoatra
Ka tsy hitako intsony zay hanaovako azy

Miara mirona e, dihy soroka Zety sy Bao
Fandihizana iray mahavariana
Fa gadona tongotra toa teha-maina
Mitorajofo ny lapany teo
Ka tsy hitako intsony izay azo lazaina

Fanaon'ny ankizy fahizay ny mampiady tandrimo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Sammy
Hits : 1564
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 17/12/2016 10:49
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107