Hiara-mamindra (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouh...

Mba nosaininao ve fa misy fiainana
Mandeha ka misosa izay haleha tsisy ahiahy
Fa ny fiainana eto toa be korontana
Akaikin'ny sento sy ny haromontana

'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka
'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka

Ny fitiavan-tena,
ny vola sy harena
No mampiavona
Fitiavana kosa
Rehefa miavosa
Mampiadana.

Ny fitiavan-tena no mampiavona
Ny vola sy harena mampianjonanjona
Fa tsarovy kosa fa ny fitiavana
Rehefa mihavosa ampy hampiadana

'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka
'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka

Didy vaovao no omen'i Jesoa
Dia fifankatiavana
Ka 'ndeha hanambatra ny fo,
Hifandray tànana...

'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka
'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka

'Ndeha izaho sy ianao hiara-mamindra
Fa misy aim-baovao antom-piaina-mirindra
Dia fitiavana izay mampihavana
Ilay mampifandray tsy hisaraka

'Ndeha izaho sy ianao
Hiaraka izao
'Ndeha izaho sy ianao
Hiaraka izao...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Miantefa
Hits : 157
Likes : 0 Like
Created by : Namana tsy mahafoy
Date : 17/07/2023 13:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726