avereno amiko (SVM FJKM ANOSISOA FITIAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Avereno amiko ilay fiainam-panahy
Mba ho mamy indray
Ny Fifandraisako aminao
Avereno amiko ilay fahamasinana
Ombam-pahamarinana
Hijoroko ho tena anao

Ref : Fa mitady ny very aho anio
Hiverenan'ilay fo madio
Toy ´lay vao nahalala Anao
Hadio fo amin'izay rehetra atao
Fa mahatsiaro irery aho anio
Tompo ô, miandrandra anao ka valio
Asehoy ahy ndray ny tavanao
Vonjeo fa mila ho rendrika aho

2 - Avereno amiko ilay fo be fitia
Ka haiko ny hitia
Reo minia mankahala ahy
Avereno amiko ilay fo tena tony
Mba tsy ho taitra intsony
Raha tojo izay fankam-panahy

Ref : Fa mitady ny very aho anio
Hiverenan'ilay fo madio
Toy ´lay vao nahalala Anao
Hadio fo amin'izay rehetra atao
Fa mahatsiaro irery aho anio
Tompo ô, miandrandra anao ka valio
Asehoy ahy ndray ny tavanao
Vonjeo fa mila ho rendrika aho

3 - Avereno amiko ilay herim-pinoana
Tsy ho mora hiroana
Ka dia mba tsy ho very aho
Avereno amiko ilay fitiavanao
Ka mba hiavao
Ao am-poko ao
Ireo voady natao

Ref : Fa mitady ny very aho anio
Hiverenan'ilay fo madio
Toy ´lay vao nahalala Anao
Hadio fo amin'izay rehetra atao
Fa mahatsiaro irery aho anio
Tompo ô, miandrandra anao ka valio
Asehoy ahy ndray ny tavanao
Vonjeo fa mila ho rendrika aho
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SVM FJKM ANOSISOA FITIAVANA
Hits : 290
Likes : 0 Like
Created by : zorandrianarijaona
Date : 07/10/2025 12:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0686