aoka izay (SVM FJKM ANOSISOA FITIAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha resaka toaka dia AOKA
Mankarary vavony mampihaoka
Raha mbola sigara tsy tsara
Lany setroka fotsiny ny Drala

Ka ialao raha mbola tsy tara

Raha resaka toaka dia AOKA
Mankarary vavony mampihaoka
Raha mbola sigara tsy tsara
Lany setroka fotsiny ny Drala

Ref: Ny aretina aterak’ireo
Dia efa tsy tambo isaina
Toa tsara kanefa avy eo
Mampitapy mampihemotra saina

Raha resaka toaka dia AOKA
Mankarary vavony mampihaoka
Raha mbola sigara tsy tsara
Lany setroka fotsiny ny Drala

2- Raha resa-paraky paraky
Tsy mba tsara fa ario malaky
Raha mbola rongony rongony
Tsy mba tsara aminao f’ajanony

Ialao aza iverenana intsony

Raha resa-paraky paraky
Tsy mba tsara fa ario malaky
Raha mbola rongony rongony
Tsy mba tsara aminao f’ajanony

Ref: Ny aretina aterak’ireo
Dia efa tsy tambo isaina
Toa tsara kanefa avy eo
Mampitapy mampihemotra saina

Raha resa-paraky paraky
Tsy mba tsara fa ario malaky
Raha mbola rongony rongony
Tsy mba tsara aminao f’ajanony

3- Raha resaka RORO dia “NO”
Mahafanina maha “K.O”
Raha mbola labiera tsy afera
Mahafanina mampianjera

Ka ialao sao hofaty tsy lera

Raha resaka RORO dia “NO”
Mahafanina maha “K.O”
Raha mbola labiera tsy afera
Mahafanina mampianjera

Ref: Ny aretina aterak’ireo
Dia efa tsy tambo isaina
Toa tsara kanefa avy eo
Mampitapy mampihemotra saina

Raha resaka RORO dia “NO”
Mahafanina maha “K.O”
Raha mbola labiera tsy afera
Mahafanina mampianjera

4- Raha hoe Kristy tena “OUI”
Mampiray ,Mampifankatia
Fahamarinana, fahamasinana
No fanaonay sakafo fihinana

Tsy aleo ve sakafo-panahy
No mba hamenoana ny tena
Hasambarana tsisy ahiahy
Miandry anao ao ho valim-babena

Raha hoe Kristy tena “OUI”
Mampiray ,Mampifankatia
Fahamarinana, fahamasinana
No fanaonay sakafo fihinana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SVM FJKM ANOSISOA FITIAVANA
Hits : 179
Likes : 0 Like
Created by : zorandrianarijaona
Date : 03/10/2025 15:56
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.073