Salamo 30 (STK Ziona Andreba Gara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*Hanandratra Anao aho, Jehovah ô;
Fa nanintona ahy niakatra Ianao,
Ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho,
Dia nahasitrana ahy Ianao.

Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Ianao;
Efa nampody ny aiko Ianao,
Mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.

Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina,
Ka miderà ny anarany, masina.
Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
Nefa mandritra ny andro iainana kosa, ny fankasitrahany;
Amin'ny hariva dia misy fitomaniana
Tonga hivahiny miloaka alina;
Fa nony maraina kosa, dia misy fihobiana.
(X2)
....
Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina,
Ka miderà ny anarany, masina.
Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
Nefa mandritra ny andro iainana kosa, ny fankasitrahany;
Amin'ny hariva dia misy fitomaniana
Tonga hivahiny miloaka alina;
Fa nony maraina kosa, dia misy fihobiana.

Fa nony maraina kosa, dia misy fihobiana!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : STK Ziona Andreba Gara
Hits : 486
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 18/10/2022 18:55
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1338