Litera folo (STK Ziona Andreba Gara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy litera folo be mpampiasa indrindra
Hoentina mambabo ny fon'olona iray
Ambara amin'ny feo milanto sy mirindra
Ka izay rehetra mahay mitia dia mapiasa azy izay. (X2)

Efa diso hainao, fa tsy hatoro anao intsony
Fa na mpiasa-tany ianao, na koa mpiasa birao
Dia mampiasa io daholo, na olona ambany na ambony
Mahay miteny izany koa, na izaho na ianao. (X2)

Fa ny antsika ry 'zareo
'Ndeha mba ho ampiasaina
Hiara-hanandram-peo isika ilay fo hiray saina
Fa hitorio fitiavana an'i Jesoa mpiaro anao
Dia ilay litera folo hoe "Tiako Ianao" no ampiasao.

Tiako Ianao Jesoa, tena tiako Ianao
Ka ny androko rehetra anie dia hanompoko Anao
Ambarako ho ren-tany sy ho ren-danitra
Tsy hangina aho fa ilaza ny hoe "Tiako Ianao"
....
Ho antsika tovolahy, tovovavy ihany koa
Eny fa zoky, zandry sy ireo Ray aman-dreny
Raha mbola velon'aina ka mitempo fitia ny fo
Dia aza fatram-pitory fitia eny rehetra eny. (X2)

Tsy ny hitanao rehetra, dia natao hambabo anao
Ka ilazanao teny mantsy, sy hanehoanao fitia
Ka tsarovy foana fa, ao an-danitra ambony ao,
Ilay tokony ho tiavinao, dia ilay Jesoa Kristy! (X2)

Ka raha ho tia ihany, tsy aleo ve Jesoa Tompo
Izy anie tsy tonga hotompoina, fa tonga mba hanompo
Ka hitorio fitiavana an'i Jesoa mpamonjy anao
Dia ilay litera folo hoe "Tiako Ianao" no ampiasao.

Tiako Ianao Jesoa, tena tiako Ianao
Ka ny androko rehetra anie dia hanompoko Anao
Ambarako ho ren-tany sy ho ren-danitra
Tsy hangina aho fa ilaza ny hoe "Tiako Ianao"
....
Tiako Ianao Jesoa, tena tiako Ianao
Ka ny androko rehetra anie dia hanompoko Anao
Ambarako ho ren-tany sy ho ren-danitra
Tsy hangina aho fa ilaza ny hoe "Tiako Ianao"

Tsy hangina aho fa ilaza ny hoe "Tiako Ianao"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK Ziona Andreba Gara
Vangy : 450
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/10/2022 18:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0707