Tsy maintsy sedraina (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny fiainana antany no ndeha holazaina
Toa sarotra ihany,tsy misy antenaina
Voalaza fa ady re ny fiainana
Sedraina avokoa, ‘reo olana maro
Toa sarotra vahana,mila tana-maro
Izany re tsy ilaozam-pahoriana koa

2-Ny fiainana an-tany no ndeha holazaina
Toa sarotra ihany,tsy misy antenaina
Voalaza fa ady re ny fiainana
Ny zava-miseho, tsy maintsy sedraina
Na mafy io na mora, mihatra aman’aina
Izany re tsy hilaozam-pihafiana koa

REF:Toa mila tsy zaka zakaina
Mampitomany , mampitaraina
Ny fiainana ve, tsy maintsy sedraina
Raha toa ianao ka mbola te ho velon’aina
Mitrakàha dia mitsangana miasà
Raha Jesoa no hitantana anao
Amin’izay ezaka ataonao
Dia aza kivy ianao,na be taraina
Ny ezaka atao tsy very maina
Matokia , ny Tompo tsy handao anao



ANDRIAMIZAKA Hery Razanakoto
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Hits : 850
Likes : 0 Like
Created by : belouhrazan
Date : 09/03/2018 08:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0796