ATOLOTRAY (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Efa impiry moa aho Jesoa,
no nantsoinao mba hanompo Anao
Nefa toa variana tsy mahatsiaro Anao e!
Raha tsy misy zavatra manjo
Ka hifonako Aminao, ireo hadalàna vitanay
Ireo fahotana mba sasaonao e! amin’ny rànao soa

2-Tompo mahery Ianao ,
Ianao no hitari-dalana
Amin’ireo asa fanompoana atao e!,
mba tsy hosolafaka ny dia
Ianao no kapiteninay,
tsy hanatahotra tokoa ‘zahay
Ireo fahavalo misakana ny dia e!,
horesenay mora foana.

REF:
Ray ô! Atolotray Anao anio izao,
ireo rehetra nomenao anay
Mba hiderana ny Anarano ry Ray
Izao no voady ataonay anio ry Ray,
tsy hivadika Aminao tokoa ‘zahay
fa hanompo Anao mandrakizay


A.Hery RAZANAKOTO
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Hits : 894
Likes : 0 Like
Created by : belouhrazan
Date : 14/03/2018 12:16
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729