Boto kamo (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
BOTO KAMO

REFRAIN:
Oy ia ee
Lelika lahy ve ’ty tsy m’saina
Oy ia ee
Sipa ’ndray ve no mitaraindraina
Oy ia ee
Isan’andro miferin’aina
Oy ia ee
Tsy hay marary, tsy hay malaina

1) Io tsy miasa io
Fa mihinan-kanina maraina, atoandro
Velomin’vady e
Na ny sigara na ny akanjo
Io tsy miasa io
Fa mivoaka ny trano isan’andro
Mandehandeha any
Mody avy any izy efa mamo
Olo mavandy io
Mitantara angano taona maro
Milanja lainga io
Fa ny marina dia kamo
Olo fetsy io
Manambaka ny ao an-trano
Marikoriko io
Omeo tamaina fa mahakamo

REFRAIN: 1x

2)Mandreraka io
Milaza ho be diplôma
Ts’isy hapôka io
Fa ny vavany fotsiny no mitsôtsôna
Mankaleo io
Isan’andro hitako eo foana
Be lazao eo
Fa ny marina dia paoma
Lolo meky io
Ataoko mahalala ny anarany tsara
Mody chomera io
Io koa no hanafana
Aleo hanao eo
Miseho be tsindry, be kafary
Tsy hangeringery aty
Fa tonga dia .....ra

REFRAIN:2x
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Samoela
Hits : 4563
Likes : 0 Like
Created by : karda
Date : 17/01/2009 15:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731