Impiry (ft. Jaovolahasy R.) (SAMi FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Impiry moa isika no nolazaina
Ny baiboly efa impiry notantaraina
Modimody gisa dia mody tsy tonga saina
Fa Tsy fantatra ny ampitso maraina ry anona ah ah ah...
Ny tany hilalaovana manan-tompo
Ny kianja hilalaovana tsy an'ny tena
Tsisy afaka miafina antsokosoko
Tsis afenina ka hoe tsy hoe hojerena ry anona ah ah ah
Tandremo ny fiatsarambelatsihy
Sady mamy ny atsy no fy ny ary
Te hivavaka nefa tsy te hiala
Lasa mpivavaka adaladala ry anona ah ah
Ny fotoana havelomana kely sisa
Hatram’izao tsy nanomboka nanisa
Hoe izay mino sy manaiky atao batisa
Sy izay miaritra no ho any am paradisa ry anona ah ah

Refrain:
Tsy azo moramora ny lanitra eh
Hiandry dernier moment vao hamandrika              
Jereo aloha ny mahasoa vao ny mahafinaritra eh
Mbola mivoha n varavaran'ny lanitra        
Tsy azo vidina vola Andriamanitra eh
Mialà am fahotana mahafinaritra
Tsy hamonjy anao Satana fa hamandrika, yeh !
Ho avy ny fitsaran'Andriamanitra

2. Impiry moa isika no nolazaina
Ry mpanota tsy mety ho tonga saina
Ianao io anie ka mbola ho tsaraina
Ka jereo ih any izay mbola hiafaràna ry anona a a a !
Ny Tompo tsy sasatra miantso anao
Mba hialàna amzao fomba ratsy izao
Tsy ho lany ny ditra eto an-tany
Fa ndrao dia taraiky any anatiny any hoy aho ry anona ah ah
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SAMi FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE
Hits : 340
Likes : 0 Like
Created by : Sederaz
Date : 25/04/2025 20:38
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1021