Miantso anao (RIVOLALA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mety maro ny olana miseho mitranga,eo aminao
Ny tsy fisiana fijaliana 'reny, fahoriana
Toa tsisy ny hatonkona,very hevitra mitokona mijaly a!
Toa kivikivy ery,Mafy loatra ity
Izao ve,ny eto an-tany a
Aza hadino f'Andriamanitra
Ilay nahary anao eh
'lay tena Andriamanitra
Andriamanitro sy ianao eh
Mijery eh,mahita anao

Fa misy anjara ho anao
Ao aminy
Misokatr'ho anao,ny tanànany
Miantso  anao Izy, miantso anao ny Tànany
Miantso anao,Avia
Oh ry havako oh ,aiza ary ianao

Mandehana mitsangana jereo ,ny ho avinao
Homeo ny Tompo ny adinao zarao, lazao
Fa ho hitanao,sy hotsapanao ny hatsarany a
De ho ravo ianao,de mety 'zay hatao
Finaritra ianao ka ts'hitomany a
Aza hadino f'Andriamanitra
Ilay nahary anao eh
'Lay tena Andriamanitra
Andriamanitro sy ianao eh, mijery eh
Mahita anao.

Rivolala 2010
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : RIVOLALA
Hits : 87
Likes : 1 Like
Created by : Rivolala
Date : 08/07/2024 15:44
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0708